Pitikevitra ihatrehana ireo Covid samihafa (variants)
Written by madairadio on 17/03/2021
MAMONO IZY IREO RAHA TSY AMPY FITANDREMANA.
Ireto avy ireo dingana tsy maintsy fantantsika momba ity Covid ity:
DINGANA VOALOHANY : fisehoan’ireo soritraretina (symptômes ) :
3 andro ao aorian’ny nahazoana ny virus (contamination ) dia mety
- manaintaina ny maso;
- mangery ra;
- mandre manaintaina rehefa mivalan-drano;
- manetsetra toa voan’ny tazo;
- marary tenda.
Raha vao mitranga ny iray na manomaro amin’ireo soritraretana fanairana ataon’ny vatana ireo dia AVY HATRANY :
- misotro rano madio betsaka 1 l sy sasany farafahakeliny
- misotro ranona karbonetra tapaky ny vera tsy atao betsaka, asiana ranona voasary makirana. Izay no analana ilay fivalanandrano mangirifiry;
- mihevoka amin’ny HE Ravintsara fa ny HE hafa tsy azo atao an’izany;
- Hosorana HE Niaouli INDROA mitety ao amin’ny hatotànana anatiny ka ampifampikosehana (frotter ). Atao mandritry ny 5 andro io dia ajanona 2 andro dia tohizana indray raha miha masiaka ny valanaretina.
DINGANA FAHAROA : andro faha 4 ka hatramin’ny andro faha-8
Raha nihombo ny fahavoazana ( tafapaka any amin’ny avokavoka ny virus ) dia ireto indray no mety hitranga :
- mora reraka raha vao mihetsika na dia kely aza;
- tsy mandre tsironkanina na fofona;
- mandre marary any amin’ny faritra ambanin’ny lamosina;
- mandre marary any amin’ny faritry ny tratra indrindra rehefa mokohaka.
Raha lavitra Dokotera dia azo atao ireto
- Afangaro (utilisation en synergie ) ny HE roa na telo izay samy mahafaty ny virus ( antiviral) : eucalyptus radié, Ravintsara ary Nianouli ) atao fatra mitovy ohatra samy impolo na indrompolo miteta dia alefahana kely amin’ny menaka fanendasana ka ny menaka ôliva no tsara.
- Dia ahosotra eo amin’ny hatotanana anatiny toy ny voalaza ery ambony. Atao indray mandeha na indroa isanandro ao anatin’ny 5 andro dia ajanona 2 andro dia tohizana arak’izay rehefa masiaka ny valanaretina.
Ny Niaouli na mandeha irery aza dia azo ahosotra ny FALADIA iray manontolo satria ahitana tendron-kozatra 7000 ao amin’io faritry ny vatana io. Ny tendron-kozatra mantsy no tena petahan’ny Virus.
- Ampitomboina ireo sakafo na voankazo manana pH ambonin’ny an’ny Virus toy ny : akondro, voasary loranjy na mandarine, zavoka, akondro, mananasy.Marihina fa ny HODITRA MANANASY sasana madio ary ampandevezina ao anty rano 1 litatra ka tapohana ranona voasary makirana dia be mpilaza fa tena mahasitrana ny Covid.Tsy mahagaga izany satria ny pH n’ny Virus dia tsy mihoatra ny 8,5 nefa ny pH n’ny mananasy 12,5 ary ny an’ny voasary makirana maintso dia 9,9
- Mihinana voankazo na zavamaniry misy vitamine C.
- Ireo mampiasa ny Ayur Véda na ny « médecine quantique » dia mahafantantra ireo Chakra tokony ho fohazina sy harindra mba hiverenan’ny filaminan’ ireo taova nokorontanin’ny Virus.
- Ireo mampiasa ny MTC (médecine traditionnelle chinoise ) dia toy izany ihany koa amin’ny alalan’ny hotra izay mampikoriana ny angovo ao amin’ny vatantsika olombelona.
DINGANA FAHATELO ny fahasitranana raha tomombana ny fiatrehana ny Covid :
Manomboka ny andro faha- 9 ka hatrany amin’ny andro faha-14 izany. Ka ao anatin’izany fotoana izany hanampy izay voalaza ery ambony dia tsara raha :
- mitaninandro isan’andro mandritry ny fahefan-kadiny na mihoatra kely. Manana ny angovo (énergie) mahatsindry ny Virus ny herin’ny masoandro.
- maka aina sy matory tsara;
- manohy ny fihinanana sakafo mafana sy ireo voankazo voalaza ery aloha.
FAMINTINANA niainga avy tamin’ny fanehoankevitra nampitaina Namana tamin’ny teny frantsay ity lahadinika ity ary nadika malalaka sy nohatevenina.
Nampitaina tamina Havana sy Longo maherin’ny 250 ilay voalohany ka izay nahazo izany dia tokony hampita izany fa AIANA ity hoy rainimanonja.
Misy Longo avy any Toamasina izao nilaza fa feno tanteraka ny hopitaly be roa ary saika misy maty isanandro any anaty Fokontany any.
EO AMPIANDRASA NY VAKSINY SY NY FAMOKARANA FANAFODY IZAY SOMARY MISAMARITAKA, NDAO HO AMPIADIANA ALOHA NY ADIGASY ARAKA NY NAPETRAKY NY TEO ALOHA ARY TSY HITA NY MAHARATSY AZY;
KOA AZA MAMIHINA VAOVAO AZO ANTOKA FA AHASOA NY MPIRAY AINA AMINTSIKA ARY.
Emiliarson Tsimaito